Sekretera jeneraly tokana voatendry, tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, Ravelomanantsoa Be-Rija. Hisahana izany andraikitra izany eo anivon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Efa talem- paritra indroa miantaona, niandraikitra ity seha-pihariana ity izy. Niasa tany amin’ny faritra Analanjirofo, tamin’ny fotoam-pitondran’ny Filoha Rajaonarimampianina Hery. Mialoha ny fanendrena azy ho laharana faharoa, hisahana ny raharaham-panjakana ao amin’ny minisitera, mbola tale miandraikitra ny faritra Boeny izy.
« Sady dokotera no mpitarika politika ihany koa ny sekretera jeneraly vaovao, mahafeno ny fepetra ilaina ho amin’ny fanavaozana. », hoy ny ampahana mpiasa, nanaovana fanadihadiana teny Ampandrianomby, omaly. «Ekena ary miray hina amin’ny sendika izahay amin’ny fahasarotam-piaro amin’ilay sehatra kanefa tsy ekena kosa ny fisian’ny tomponandraikitra ambony izay vao nesorina tamin’ny toerana mitady hirika ny hampikatsoana ny fampandehanan-draharaha. Anatin’ny fanavaozana isika izao, tokony havela miasa aloha ny olom-boatendry vao hanaovana tombana. Ny an’ny sasany, vao tsy manomboka akory dia hoe kapao satria misy miara-miasa amin’ny Mafia vahiny», hoy hatrany ny loharanom-baovao, nangataka ny tsy ho tononina anarana, noho ny tahotra.
Mitokona
Vao maraina, efa nilatsaka tao amin’ny kaonty facebook ofisialin’ny minisitera ny tsy fankasitrahana an-dRavelomanantsoa Be-Rija. Nampiantso mpanao gazety izy ireo avy eo. Nanome 48 ora ny fitondram-panjakana mba hanala ity farany. Tsy misy antony mazava, afa-tsy ny filazana ho tsy natolotry ny sendika izy ary mety nisy olona nangala-tsonia nanolotra ny anarany tany.
Manoloana ny zava-mitranga, nilaza ny Sekretera jeneraly vaovao fa miandry ny fifamindran’ asa izy vao manao fanambarana, ho fanajana ny rafitra sy ny lamina. Marihina fa namoaka fanambarana, manohana azy, ny sendikan’ny veterinera eto Madagasikara sy ny tanora anatin’ny Tambaben’ny mpitolona.
Randria




