Notokanana omaly, tany Bâle Suisse, ny foiben-toerana vaovaon’ny International Handball Federation. Trano maoderina ahitana rihana enina izy ity, izay hiasan’ny Federasionina iraisam-pirenena manomboka izao. Nahazo fanasana avy amin’ny Dr Hassan, filohan’ny IHB, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny handball, Ratsimandao Andriamanga, ka nanatrika izany tany an-toerana. Nambaran’ity mpitantana ny taranja handball eto Madagasikara ity fa fanomezana aim-baovao indray ny handball malagasy izao fihaonana amin’ny tomponandraikitra voalohany amin’ity taranja ity izao. Maro ny resaka ifanaovan’ny roa tonta amin’izany, amin’ny fampivoarana ny handball eto Madagasikara. Anisany ny ho fampitaovana ny ligy sy ireo klioba, ny fiofanana ho an’ireo mpanazatra sy ny mpitsara ary ny fifanakalozana traikefa. Manampy ireo ny fifaninanana iraisam-pirenena izay lesoka ho an’ny ekipa malagasy. Tsiahivina fa io andron’ny omaly io ihany koa no nivorian’ireo filankevitry ny IHF nandinihina ny famerenana ny ekipa zandriny an’i Russie sy Bielorusses.
Tompondaka




