Niakatra fampanoavana, omaly, notanana vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nahatraran’ny polisy vola sandoka tao Mananjary. Mody nividy entana teo amin’ny mpivarotra ao an-toerana io lehilahy io. Vola sandoka avokoa no nampiasainy. Tsy taitra ny mpivarotra saingy niantso avy hatrany ny mpitandro filaminana hisambotra io olona nikasa hisoloky tamin’ny vola sandoka io. Niroso tamin’ny fikarohana ny ekipan’ny polisim-pirenena. Voasambotra ilay lehilahy mpanaparitaka vola sandoka. Roa alina Ariary avokoa ireo vola nampiasainy. Nahatraran’ny mpitandro filaminana lelavola 120 000 Ar sandoka teny aminy. Nentina nihazo ny kaomisaria, natao fanadihadiana ary natolotra ny fampanoavana mba ho tsaraina io olona io. Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja izy. Marihina fa ahazoana sazy, gadra an-terivozona mandra-pahafaty, ny fanaovana vola sandoka.
Tsiferana R.




