Hita omaly maraina, teny amoron-dranomasina, ny lohan’ilay vehivavy teratany vahiny, 60 taona, nisy namono tany Mananjary, afakomaly. Tsy lavitra ny trano fonenany ihany ny toerana nahitana azy. Hatramin’izao, tsy mbola nisy ny olona voasambotra sy voarohirohy tamin’iny tranga mampihoron-koditra iny. Marihina fa tompon’ny trano fandraisam-bahiny « Le Jardin de la Mer » any an-toerana ity ramatoa nisy namono ity.
Manomboka miverina indray ny tora-bato eny amin’iny lalam-pirenena faha-4 iny amin’izao. Anisan’ny lasibatra amin’izany ny fiara mpitatitra olona. Fiara maromaro no voatora-bato teo Tsarahonenana, anelanelan’ Ambondromamy sy Maevatanàna, nanomboka tamin’ny 7 ora hariva. Vokany, potika tanteraka ny fitaratry ny fiara.




