Foire Internationale de Madagascar: Taratry ny toekarena malagasy

Ambohipihaonan’ireo mpisehatra ara-toekarena eto Madagasikara sy avy any ivelany ny Tsenabe iraisam-pirenena (FIM). Fotoana ahafahan’ireo mpandraharaha sy ireo matihanina samihafa mifanakalo hevitra sy traikefa hampandrosoana ny toekarena.

Nanomboka omaly ka hatramin’ny alahady ny Tsenabe iraisam-pirenena eto Madagasikara « Foire internationale de Madagascar » (Fim) andiany faha-27. Hetsika karakarain’ny Madavision, eny amin’ny CCI Ivato. « Hita mandritra ny efatr’andro ireo karazana fandraharahana misy eto amintsika. Manomboka amin’ny kely indrindra ka hatramin’ireo orinasa vaventy misy eto Mada­gasikara », hoy ny tomponandraikitry ny Madavision, Ranaivo Oranne Corelli, oma­ly nandritra ny fanokafana ny hetsika. Vory lanona eny an-toerana avokoa ireo mpisehatra ara-toekarena. Fotoana ahafahan’izy ireo mifandray sy mifanakalo hevitra ary mifampizara traikefa. « Ahitana taratry ny toekarena amin’ny ankapobeny ny foara toy izao », hoy ny minisitry ny Toe­karena sy ny fitantantanam-bola, Dr Ramiarison He­rin­jatovo Aimé. Mandrisika ny fifanakalozan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny minisitra hampandrosoana ny toekarena. Fototra iorenan’ny fampandrosoana ny toekarena rahateo ny fandraharahana. Manana hevitra hampiroborobo ny toekarena, hoy izy, ny tanora ary vonona hanohana izany ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka.

Iraisam-pirenena

Misokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny FIM. Tonga eto amintsika, mizara sy mampahafantatra ny vokatra vokariny ireo mpandraharaha avy any ivelany, toy ny avy any Lafrantsa, Alemaina, Sina, ny Vondrona eoropeanina. Hita eny an-toerana ihany koa ireo avy atsy amin’ny Nosy rahavavy, Maorisy. Poro­fo izao fa ambohipihaonan’ireo mpisehatra ara-toekarena ny FIM. Mamaly ny lohahevitry ny hetsika « Ma­dagascar en mouvement » ny andiany faha-27, hoy ny fanazavana voaray. Nilaza ny tomponandraikitra ara-barotry ny Mada­vision, Andrianasolo Hery, fa tombony ho an’ireo mpandray anjara sy mpitsidika ny fisian’ ny dinika sy fifanakalozan-kevitra manodidina ny 40. Fotoana ihany koa hanatevenana ny fifandraisana, ny fiaraha-mia­sa ary ny fifampizarana traikefa amin’ireo matihanina.

Henintsoa

Partager sur: