Centre de Formation Huawei : Hamoaka manam- pahaizana

Notokanana teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny alakamisy teo, ny Centre de formation Huawei. Ivontoerana ahafahan’ireo mpianatra mampihatra avy hatrany ny fianarana sy fiofanana arahiny. “Hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo amin’ny sehatry ny télécommunication ny fitaovana ampiasaina”, hoy ny talen’ny sekoly ambony Politeknika Antananarivo, ny Pr Rakotomalala Mamy Alain. Tombony ho an’i Madagasikara ny fananany tanora. « Harena tsy mbola voatrandraka eto amintsika izy ireny, manam-pahaizana, manan-talenta sy tia mamorona », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny niomerika, ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, Andriamampiadana Mahefa. « Laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana ny hampiasa vola amin’ny tanora sy fanofanana azy ireny hiatrika ny tontolo vaovao tarihin’ny teknolojia. Antony mahatonga ny minisitera mifantoka amin’ny fanabeazana niomerika”, hoy ny minisitra. Hanampy ny firenena hanarina ny elanelana eo amintsika sy amin’izao tontolo izao ny tanora. Izy ireo no hanangana Madagasikara maoderina sy hifaninana rahampitso. Maneho mivantana izany ity Centre de formation Huawei ity, satria hanofana tanora ho lasa mpamorona, injeniera ary teknisianina mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Henintsoa

Partager sur: