VAOVAO TAMBATRA

Tonga tao Toamasina, ny talata 5 mey teo, ny sambo Torm Elise, mitatitra solika. Mitotaly 64 500 taonina ny solika entiny, ahitana lasantsy, gazoala ary solitany fandrehitra. Omaly maraina no namonjy ny toeram-piantsonana izy, satria mbola nisy ny fampidinana ny solika mavesatra nentin’ny sambo Sea Treasure, teo alohany, omaly tolakandro. Vinavinaina ho vita amin’ny 10 mey ny fampidinana ny solika rehetra entin’i Torm Elise.

Maro ny lalana arenina eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Novaina ho « béton » ny eo Tsim­ba­zaza mankeny Fiadanana sy ny fivoahana eo amin’ny Capsat, ka hisokatra ho an’ny fifamoivoizana afaka roa herinandro. Misasaka ny asa fandrakofana godirao ny lalana Behintsy-Ambohimanambola. Tsiahivina fa efa vita ary misokatra ny lalana eny amin’ny Vatobe 67 Ha mivoaka eny amin’ny Coco Plastika Andoha­ta­penaka.

Eo andalam-pandinihana ny tetikasa hanodinana ny fako ao an-tampon-tanànan’i Morondava. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny Seha-pihariana maitso. Hitondra fampandrosoana any an-toerana izany ezaka izany, hamorona asa ho an’ny tanora, hanatsara ny endriky ny tanàna ary hitondra fampandrosoana ny toekarena. Tonga tany an-toerana ny minisitry ny Tontolo iainana (MEDD), Andriatsihala Nolave Luck, ny 7 mey teo, nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo tomponandraikitra ao an-toerana.

Partager sur: