Nahazo fanasana hiatrika lalao ara-pirahalahiana izay hifanandrinana amin’i Maroc, any Rabat, ny Barean’i Madagasikara, ny volana jona ho avy izao. Aorian’io kosa, hifandona amin’i Ouganda.
“Hifandona amin’ny goavana!”. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, hifandona amin’ny tompondakan’i Afrika, farany teo, ny Lion de l’Atlas Maroc, ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara, ny 2 jona ho avy izao, ao amin’ny Kianjan’i Rabat Maroc, raha tsy misy ny fiovana farany.
Fotoana iray hahafahan’ny ekipa nasionaly malagasy mitsapa ny fara-fahaizany io fihaonana io, ary mety hahazo traikefa avy amin’ireo maraokanina ny mpilalao, mba hahafahany miatrika tsara ny fifanintsanana Can 2027.
Etsy ankilany, entin’ny liona maraokanina manomana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany izay hatao any Etazonia, amin’ny volana jona ho avy izao, ity fifanandrinana ity. Raha jerena ny eo amin’ny ara-taratasy, mifanalavitra tanteraka ny fahaizan’i Maroc sy i Madagasikara. Ohatra, ny filaharan’izy ireo ao amin’ny Fifa. Fahavalo maneran-tany i Maroc ary faha-104 kosa ny ekipam-pirenena malagasy. Fanamby lehibe ho an’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea, io fihaonana io.
Tsiahivina fa ny volana septambra 2022, tany Maroc ihany, efa nifanandrina tamin’i Maroc, ny Barea. Lavon’ny Liona maraokanina tamin’ny isa 1 no ho 0 ny ekipa nasionaly malagasy tamin’izany. Nataon’ireo maraokanina nanomanana ny Mondial 2022, tany Qatar, io lalao ara-pirahalahiana natao io.
Handrefy ny fahaizana amin’i Ouganda…
Ankoatra izay, ny Cranes Ouganda no lalao fitsapana faharoa miandry ny Barea. Hotontosaina ny 8 jona ho avy izao koa izany, any Casablanca Maroc ihany. Ampahatsiahivina fa ny 19 mey ho avy izao, ho fantatra izay mpiray vondrona amin’ny Barea mandritra ny fifanintsanana Can 2027.
Fitia Randria




