Nahazo vokatra tsara ny Malagasy mpilomano miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja lomano, tanterahina any Oran Alzeria, omaly. Nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra nasionaly, Rakotonanahary Océane, teo amin’ny 100m Brasse ary tafapetraka teo amin’ny laharana fahatelo ka niambozona ny medaly alimo. “Record” efa tamin’ny 35 taona lasa (1987) ity montsan’i Océane ity. Tao anatin’ny fe-potoana 1’15’’50 no nanaovany ny 100m Brasse, raha toa ka 1’15’’96 no nahavitan-dRatsifandrihamanana Vola izany. Malagasy mpilomano mbola anatin’ny heriny tanteraka i Océane ary efa hita taratra ny fivoarana sy ny fiakaran’ny lentany, na eo amin’ny sehatra nasionaly izany na ny iraisam-pirenena.
Mbola vokatra tsara ihany koa no azon-dRaharivel Jonathan. Nandrombaka medaly volafotsy ity Malagasy mpilomano miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, any Oran Alzeria, ity. Teo amin’ny 100 m Brasse no nahazoany izao laharana faharoa izao. Tsiahivina fa anisan’ny nisitraka ny vatsim-pianarana any Thailande i Jonathan ary efa nahazo medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023.
Mi.Raz




