TSELATRA

Niakatra fitsarana, Ambaratonga voalohany, omaly, ny raharaha nahafatesan’ny tovovavy iray, 23 taona, niseho teny Soavina, tamin’ny 30 aogositra 2024. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’io vono olona io ny lehilahy miisa telo. Anisan’izany ny olon-tian’ilay tovovavy namoy ny ainy. Teo koa ny tovolahy iray, izay niara-nianatra taminy ary lehilahy iray hafa nanampy azy tamin’ny famitana ny bokiny.
Nivoaka ny fonja omaly ny filohan’ny fikambanana Hosindraiky, Randriaminozara Veve, sy ireo na­many hafa. Rehefa notazomina teny am-ponja na­nom­boka ny alatsinainy 4 mey teo izy ireo. Voarohirohy noho ny endrikendrika sy zavatra tsy mitombina, raha ny fanazavana voaray. Aorian’ny fotoana naha voatazona azy ireo.
​ Naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka, ny alin’ny alakamisy lasa teo, ny saoferana kamiao sy ny mpanampy azy. Niseho teny amin’ny lalam-pirenena faha-35 iny izany. Norobain’ny dahalo izy ireo ary avy eo nolazain’ireto farany tamin’ny fokonolona fa olon-dratsy. Tezitra ny mponina ka namono ireto mpitondra fiara. Taorian’izay vao fantatra fa anisan’ny lasibatry ny jiolahy izy ireo. Efa lasa nitsoaka ireo dahalo.
Ankizivavy 11 taona, notsindromin’ny lehilahy iray tamin’ny antsy, tany Antsahalalina, kaominina Ambohimalaza, ny alarobia tamin’ny 6 ora lasa teo. Nikasa hisasa teny amin’ny renirano Ankatoka izy. Na­natona ny lehilahy iray ary nikasa ny hanolana azy saingy tafa niantso vonjy ity zazavavy ity.

Partager sur: