Fiarovana ny tontolo iainana : hamboly hazo ny sekoly FJKM

Manatanteraka ny vinan’ny FJKM “Fiangonana maitso, Sekoly maitso” ny sekoly FJKM rehetra manerana ny Nosy. Hanatanteraka fambolen-kazo eny amin’ny sekoly FJKM Mahitsy sy eny Mananjara izy ireo ny 24 febroary izao.
Miavaka ny karazan-kazo hambolena amin’izany satria ireo hazo voafantina sy tsara voatra ho endriky ny tanàna no hovolena. Eo koa ireo hazo fihinamboa haingam-pitombo ka ao anatin’ny 3 volana dia efa mitondra vokatra.
Natao hanatsarana ny tanànan’ny sekoly FJKM Mahitsy ny hazo volena. Hampitomboana ny fidiram-bola maharitra ho an’ny sekoly kosa ny hazo fihinamboa izay tarigetran’ny sekoly mihitsy ankehitriny.
Efa nisy ny vokatra azo tsapain-tanana tamin’ity hazo fihi­namboa ity natao tany amin’ny sekoly Ambatomanga tamin’ny taona 2020 ary tena nahomby, araka ny fanazavan’ ny tompon’andraikitra voalohan’ny sekoly FJKM, Rakoton­dranaivo Domoina.
Etsy andaniny, misy ny fiaraha-miasa amin’ny kaomi­nina Mananjara Mahitsy mifanindran-dalana amin’izany. Hisy ny fanampiana ny sekoly ao an-toerana hanehoana ny fijoroana vavolombelon’ny sekoly Mananjara.

Tatiana A

Partager sur: