Famatsiam-bola iraisam-pirenena : 2 miliara dolara tsy nampiasaina

Mavesatra loatra ny fikarakaran’ny fanjakana ny antontan-taratasy mahatonga ny vola avy amin’ny Vondrona iraisam-pirenena tsy nampiasaina ara-potoana. Mila havaozina ny fomba fiasa, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola.

Nitatitra ny fihaonany tamin’ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) tany Etazonia farany teo, omaly, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Dr Ra­miarison Herinjatovo Aimé. Nohitsiny fa «manga ny lanitra eo amin’i Madagasikara sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, toy ny BM sy ny FMI ary ny hafa». Midika izany fa mipetraka ny fifampitokisan’ny roa tonta, mahatoky ny fitondram-panjakana mitondra ny fanavaozana ny vondrona iraisam-pirenena. Natsikafon’ny minisitra Ramiarison Herin­jatovo ny lesoka teo amin’ny fifandraisana tamin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena hatramin’izay. «Misy 2 miliara dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, saingy tsy nampiasain’ny mpitondra teo aloha. Satria, mavesatra ny fikarakarana ny antontan-taratasy. Zara raha ny 30% ihany vola afaka navoaka (décaissement budgétaire). Ankoatra izany, efa elabe ny vola avy amin’ny FMI, ny Fer sy ny FCR no nomeny (aide budgétaire), izay anisan’ny tokony hamenoana ny fifandanjan’ny volam-panjakana, saingy tsy nampiasaina tanteraka», hoy ihany izy. Nambarany koa fa misy 1 miliara dolara natokana ho an’ny fanamboaran-dalana, saingy tsy nampia­saina.

Lalana, angovo, agri-business
Santionany ihany ireo notanisaina ireo. Na izany aza, vahaolana raisin’ny Fi­tondrana Fanavaozana ny hanarina ny lesoka, satria tsy maintsy atao ny fanohizan’ny fitantanana raharaham-panjakana. Natsangana ny vaomiera manokana «Task Force» handalina sy hanadihady ireo lesoka, amin’io famatsiam-bola avy any ivelany, izay tokony hampiasaina io.
Vahaolana ifantohan’ny fitondram-panjakana, ankehitriny, ny fanohizana ny fanamboaran-dalana, ny fampiroboroboana ny angovo, ny fandraharahana amin’ny fambolena sy ny fiompiana, «agri-business». Hampiasaina ny teknlojia niomerika, iadiana amin’ny kolikoly.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: