Olan’ny famatsian-drano : Hiverina ny fitsinjarana rano mifandimby

«Hapetraka eny amin’ny fokontany, manomboka amin’ny herinandro, ny filazana ny rafitry ny fitsinjarana ny rano mifandimby (tour d’eau) eto Antananarivo mba hahafahan’ny isan-tokantrano mandamina ny fotoanany manoloana ny fahasahiranana», hoy ny tale jeneralin’ny Jirama, Rasoloma­­nana Hajatiana. Natao izany mba hiantohana ny fitsinjarana ara-drariny ny isam-paritra. Hatreto, tsy mbola nitombo ny famokarana saingy andrasana manomboka amin’ity volana ity ny vokatra. Antitra avokoa ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa ka mahatonga ny fahaverezan-drano. Antony nahatonga ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana nanome fampitaovana ny Jirama. Toy ny fantsona, «vanne», «manchon de réparation», «poupe de filasse» sns, izay apetraka amina toerana 18. «Efa tonga tamin’ny faran’ny volana teo ireo fampitaovana, raha andrasana amin’ny 20 mey kosa ny andiany manaraka», hoy ny minisitra, Dr Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia, nandritra ny fidinana ifotony nataony teny Mandroseza. Tanjona ny hampakarana ny famokarana eto Antananarivo sy ny manodidina mba hisitrahan’ny mponina ny rano fisotro madio.
Fotodrafitrasa
Mahatratra 2 500 km ny halavan’ny fantson-drano eto Antananarivo. Efa antitra avokoa ny ankamaroan’ireo fotodrafitrasa satria tsy nisy fanavaozana nandritra ny 30 taona mahery. Manampy trotraka ny olan’ny famatsian-drano ny fitomboan’ny mponina, indrindra ny eto Antananarivo. Tanjona, hoy ny minisitra, ny hanampiana ny Jirama hanarina ny fitsinjarana sy hanatsarana ny famatsian-drano isan-tokantrano eto Antananarivo sy any amin’ireo distrika hafa. Nilaza ny tale jeneralin’ny Jirama fa manomboka tsikelikely ny fiovana amin’ny olan’ny famatsian-drano eto Anta­nanarivo.

Henintsoa

Partager sur: