Polisy manakaiky vahoaka : Nametrahana kaomisaria ao Ambohidratrimo

Notanterahina omaly ny fitokanana ny kaomisarian’ny polisy Ambohidratrimo, izay kaomisaria zandriny nefa sokajiana ho kaomisaria midadasika indrindra ary ao anatin’ny fitaleavam-paritry ny Polisim-pirenena Analamanga.

Nanotrona ny hetsika omaly ny mpanolotsaina avon’ny Fanavao­zana, jeneraly Zafitasondry Ranoelison Manantenasoa Marcelin sy ny kolonely An­driamiharisoa Gervais, niaraka tamin’ny minisitry ny Fi­laminam-bahoaka, Inspecteur général de Police Erick Michel. «Tena mahakasika ny vahoaka ny fandriampahalemana sy ny fanohanana sy fanajana ny hisian’ny tontolom-pandraharahana misy filaminana sy voaaro. Na­nompana ny ezaka hanatona hatrany ny vahoaka ny minisitera hahafahana mametraka fandriampahalemana maharitra», hoy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka.
Manana velarana 1 432 km², ahitana kaominina 24 sy fokontany 313 ny distrika. Mponina manodidina ny
500 000 eo ho eo no monina sy mivelona ao. Misy amin’
ireo kaominina 24 no efa tanàn-dehibe manakaiky ny renivohitra. Tafiditra ao Am­bohidratrimo, Antehiroka, Iva­to (misy ny seranam-piaramanidina), Talatamaty… Amin’ iza­­ny, andraikitra sahanin’ity kaomisaria ity ny fandrindrana ny fifamoivoizana, ny fampandriana fahalemana sy fanaraha-maso ny manodidina ireo toerana stratejika, orinasa, toerana mila fiarovana manokana. Ny trangana fandikan-dalàna fahita amin’ny tanàn-dehibe dia mety ho hita koa amin’ireo kaominina ireo (vaky trano, harom-paosy, hala-boty, halatra na fanafihana mitam-piadiana …
Ho an’ireo kaominina lavitry ny renivohitra, ao anatin’ny distrika (Ampangabe, Ampa­notokana, Anjanadoria, Maha­bo, Mananjara … tantsaha ny ankamaroan’ny mponina. Amin ireo toerana voalaza ireo, miasa ho fampandriana fahalemana ny kaomisaria, miady amin’ny dahalo (halatr’omby), manara-maso ny toerana stratejika toy ny fivarotana omby ao Ampano­tokana. Anisan’ny andraikitra lehibe ihany koa ny fandravonana ny disadisam-piarahamonina mateti-pitranga eny amin’ny tontolo ambanivohitra.
Mamakivaky an’Ambohi­dratrimo ny lalam-pirenena fahefatra mifandray amin’ny lalam-pirenena fahenina ary Ambohidratrimo no vavahady idirana ny Renivohitra. An­draikitra miandry ity kaomisaria ity ny fanaraha-maso ny fidirana sy ny fivoahan’ny olona sy ny entana.

Vonjy

Partager sur: