Manam-pahaizana momba ny fiparitahan’ny aretina avy amin’ny U.S. Centers for Disease Control and Prevention (CDC), ny Dr. Michael Kinzer. Nanatanteraka iraka nandritra ny efatra herinandro teto Madagasikara izy ary nanampy ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony amin’ny fiatrehana ny valanaretina Mpox.
Nisy ny fiaraha-miasa isan’andro tamin’ny Cousp, izay rafitra nasionaly misahana ny fitantanana ny vonjy taitra ara-pahasalamana. Nofanina ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony amin’ny fitadiavana ireo nifandray tamin’ny marary sy ny fanaovam-baksiny.
Nohamafisina ny rafitra fitantanana angon-kevitra ho an’ireo faritra tena iparitahan’ny aretina. Nisongadina, taorian’izany, fa nihena ny isan’ny marary any amin’ny faritra Boeny.
Nanome tanana ny governemanta malagasy i Etazonia hatramin’ny nidiran’ny valanaretina nendran-drajako teto Madagasikara hitandroana ny fahasalaman’ny vahoakan’ny firenena roa tonta.
Manampy amin’ny fiatrehana ny aretina sy ny fisorohana ny fihanaky ny areti-mifindra tsy hipaka ivelan’ny sisintany mankany amin’ny faritra hafa ny rafi-pahasalamana matanjaka iarahan’ny firenena roa tonta.
Tatiana A




