Nifarana omaly, teny amin’ ny Oniversiten’Antananarivo, ny Fampirantiana ny fikarohana ho an’ny toekarena sy ny asa, andiany fahavalo. Nofantenana ny voka-pikarohana 40 mahery avy amin’ny toeram-pampianarana valo, eo anivon’ny oniversite mahakasika ny seha-pihariana sy sampam-pikarohana rehetra momba ny toekarena sy ny sosialy. Nandritra ny hetsika, nampifandraisina ny sehatra telo dia ny mpikaroka, ny laboratoara ary ireo mpisehatra ara-toekarena hifanakalo, ahazoana mitrandraka ny voka-pikarohan’ny tsirairay. “Haivao ho an’ny kalitaon’ny vokatra” no lohahevitra noraisina ary nanambaran’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, fa manohana ny asa fikarohana ary vonona hampiasa ny vokatr’izany ny fitondrana ankehitriny. Porofon’izany, efa nentin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo tany Tsimororo ilay manampahaizana mpikaroka momba ny solika nilaza fa afaka mamadika ny menaka mavesatra ho azo ampiasaina. Antenaina fa hisy vokatra tsy ho ela izany, hoy ny nambarany. Mandrisika ny mpikaroka hanatona ny minisitera mifandraika amin’ny fikarohana ataony ny fitondrana mba havadika ho tetikasa hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena.
Nandritra ny hetsika koa no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny seha-pikarohana niomerika, tohanan’ny Orange Madagascar, hanamorana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpikaroka sy ireo ivontoeram-pikarohana samihafa.
Vonjy




