INDRAY MIJERY

Toy ny fanaon’ny Amadia isaky ny sabotsy, hisy ny hetsika ho an’ny ankizy sy ny tanora miaina miaraka amin’ny diabeta. Ao amin’ny Foibe Frenjy, akaikin’ny Clinique Amadia Faravohitra, ny toerana hihaonana amin’izy ireo. Ny diabeta sy ny maso no horesahina manokana. Hisy ny fizaham-pahasalamana faobe sy fitsapana HbA1C/ACR ary ny fakana tosidra.

Fitaovana fitiliana sy fanafody hiadiana amin’ny hépatite na (kits des tests et des médicaments essentiels pour l’hépatite virale) no natolotra ny CHUSSP Analakely. Vokatry ny fiaraha-miasa eo
amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Africa CDC no nahafahana nanao izany. Ny hépatite izay aretina azo avy amin’ny tsimokaretina iray mamely ny aty, izay maro karazana toy ny hépatite A, B, C, D, E ary G, fa telo no tena fahita eto Madagasikara dia hépatite A, B ary C.

Misy ny fametrahana ny laharana tokana ho an’ny mpianatra na ny “Numéro unique d’identification scolaire” (Nuis), izay atomboka eo anivon’ny Cisco miisa 48, ao anatin’ny Dren 17. Sekoly miisa 19 309 no voakasik’izany. Hanamora ny famantarana ny mpianatra tsirairay amin’ny fomba tokana ary hanatsara ny fanaraha-maso sy ny fitantanana eo anivon’ny sekoly izany.

Partager sur: