Andron’ny mpifankatia : samy nanana ny fankalazana

Isan’andro ny fetin’ny mpifankatia. Fa nanao hetsika fahatsiarovana amin’ny maha fankalazana izany ireo mpifankatia nanontaniana.
“Nanomana fanomezana ho ahy ny vadiko vao nifoha maraina”, hoy i Toky. Nilaza izy fa tsy nanam-po izany fi­he­tsika nataon’ny vadiny izany. “Tsara ny fitia mifamaly ka noentiko tany amin’ny toeram-pisakafoana iray ny vadiko mba ho valin’izany”, hoy hatrany izy.
Ankoatra izay, niaraka nandeha nisintaka kely kosa ireo mpifankatia sasany. “Mba hankalazana ny andro sy hanokanana fotoana niarahana nitokana”, hoy i Mamy.
Tsapa fa nankamamy ny vokatra “chocolat” ireo mpifankatia sy ny mpivady sa­sany. Nilaharana teny amin’ ireo mpivarotra chocolat eto Antananarivo. “Maniry fiarahana sy fifankatiavana ho mamy ny anton’ny fifampizarana chocolat”, hoy i Sandratra.
Nampitombo ny fifankatiavana sy namerina indray ny fitiavana nisy teo amin’ ireo mpifankatia sy mpivady ny fiarahana sy ny fifam­pizarana ary ny fanolorana fa­nomezana natao omaly. “Miverina miha mamy ny fifankatiavana, ary tokony ho toy izao foana na misy na tsia ny andro fankalazana”, hoy ireo nanontaniana. Misy kosa ireo olona tsy manka­laza mihitsy ny andron’ny mpifankatia.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: