Namoy ny ainy tao amin’ny ranomasina manamorona ny torapasik’i Kimony, Morondava, omaly, ny tovolahy iray vao erotrerony. Nilomano niaraka tamin’ny mpiara-mianatra taminy izy.
Tsy tana ny ain’ny tovolahy iray 24 taona, mpianatra avy eo anivon’ny Oniversite Ankatso, anivon’ny sampam-pianarana Sociologie, taorian’ny faharendrehany tao anatin’ny ranomasina tao Morondava, omaly maraina. Nanao dia fibeazana niaraka tamin’ny mpiara-mianatra taminy tany an-toerana io mpianatra io, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny tomponandraikitra. « Miisa dimy ireo mpianatra ireo no niaraka nosintomin’ny rano tamin’io fotoana io. Tafavoaka ny efatra ary nilentoka ny iray », hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Morondava. Nikasa hisintona an’io namany izay efa lasan’ny rano io ny mpianatra iray hafa. «Saika hanavotra ilay namany ny iray. Efa saika natelin’ny rano niaraka tamin’ilay namany koa io mpianatra iray io», hoy ny fanamafisan’ny zandary nanao ny famotorana. Nanararaotra ny fotoana teo amin’ny torapasik’i Kimony izy ireo kanjo natelin’ny ranomasina tampoka io lehilahy io. Nanao izay ho afany nanavotana an’io mpianatra io izy ireo saingy tsy tana intsony ny ain’ilay tovolahy. «Tsy tafavoaka tao anatin’ny rano io mpianatra io raha tsy nanao fombafomba », hoy ny fanamafisana.
Nakarina an-dRenivohitra
Notsaboina teo anivon’ny hopitaly ao Morondava ireo mpianatra efatra saika natelin’ny rano niaraka tamin’io lehilahy iray namoy ny ainy io, omaly. Nanoloana io tranga io, nidina ifotony avy hatrany ny minisitry ny Tontolo iainana, niaraka tamin’ireo manam-pahefana any an-toerana. Nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanampiana ireo mpianatra namoy ny namany. Nandray an-tanana ny fitondram-panjakana ka nakarina io hariva io ihany, hihazo an’Antananarivo, ny nofo mangatsiakan’ilay namoy ny ainy. Nisy amin’ireo mpianatra hafa izay nanaraka fitsaboana teo anivon’ny hopitaly. Tonga nitsidika azy ireo manokana ny minisitra. Nidina teny amin’ny torapasik’i Kamony ny lehiben’ny Faritra Menabe nijery ifotony ny zava-nisy. Nanamafy ny mponina ao Morondava fa anisan’ny atahorana sady matetika mampidi-doza ny filalaovana ranomasina eo amin’io toerana namoizana ain’olona io.
Tsiferana R.




