Notanana vonjimaika any am-ponja ny jiolahy roa voasambotry ny polisim-pirenena teny Anosipatrana, ny 9 mey teo. Ikoizana amin’ny vaky trano sy famakiana fiara izy ireto.
Fiara miisa roa, marika 2CV sy Peugeot 207, kila hotohoton’ny afo tetsy Andravoahangy ambony, ny sabotsy 10 mey teo. Niezaka namono ny afo teny an-toerana ny mpamonjy voina saingy tsy nisy noraisina intsony ireo fiara.
Miantso ny fitondram-panjakana hijery ny zava-misy ny rain’ilay zaza 9 taona izay nokasain-dreniny halaina, tao amin’ny kaominina Ankazondandy, distrikan’i Manjakandriana, ny zoma 9 mey teo. 9 taona lasa, vao teraka dia navelan-dreniny tamin’ilay rainy io zaza io. Niverina ilay reniny miaraka amin’ny teratany vahiny ary nilaza haka ny zaza aty aoriana.




