Sekolim-panjakana fototra nisitraka fampitaovana vita tanteraka amin’ny fako plastika voahodina ny EPP Fitroafana, Talatamaty. Tetikasa iarahan’n’ny vondrona Alsico SA sy ny Andao Company nanatanteraka. Efa niara-niasa nandritra ny telo taona ny roa tonta. Fiaraha-miasa mifantoka amin’ny fanodinana fako plastika sy ny fanajana ny tontolo iainana. Ankehitriny, fako plastika azo avy amin’ny koveta, “seau”, zerikanina sy kojakoja efa simba sy tsy miasa intsony sns, milanja 4 t no voahodina sy nahavitana dabilio mitotaly 130 ho an’ ny mpianatry ny EPP. “Nentanina hitondra fako plastika ny mpianatra tsirariray avy”, hoy ny talen’ny sekoly, Manjakavelo Mariam Léa. Navondrona tamina toerana iray izany ary mahatratra 358, 7 kilao ny fako voaangona nanomboka ny taona 2024, nanombohana ny tetikasa. Hetsika natao hampianarana sy hanentanana ny mpianatra hanaja sy hanome lanja ny tontolo iainana izy io. Araka izany, namaly ny filan’ny sekoly ny tetikasa amin’ny alalan’ireo fampitaovana azony enti-manohana ny mpianatra. Harena lovain-jafy ireo dabilio vita avy amin’ny fako plastika voahodina satria maharitra hatrany amin’ny 20 taona. “Heverina haparitaka amin’ireo Sekolim-panjakana ambararonga fototra eto an-dRenivohitra ny tetikasa. Vinavinaina ihany koa ny hanitarana izany manerana ny Nosy” hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Rasolofoniaina Ricardo. Vahaolana aroson’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ny hanodinana ny fako ho loharanon-karena enti-mampandroso ny firenena. Tsiahivina fa fampitaovan-dabilio faha-16 nataon’ny Andao Company ity natao tao amin’ny EPP Fitroafana Talatamaty ity. Miantso ny fiaraha-mientan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana ny tomponandraikitry ny tetikasa, Raminosoana Zina, mba hanohanana ny fanabeazana sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Henintsoa




