VAOVAO TAMBATRA

Hisy fifanarahana vaovao hamerana ny vidin-tsolika hataon’ny fanjakana sy ny FMI (Tahirimbola iraisam-pirenena). Fifanarahana talohan’ny nipoahan’ny adin’Iran sy Israely ary i Etazonia manko ny teo aloha, tsy mihoatra na ho latsaky ny 200 Ar isaky ny litatra ny fiovan’ny vidin-tsolika. Vidiny tamin’ny volana febroary no mihatra, ankehitriny, fotoana tsy mbola nisian’ny ady.

Mitentina 200 tapitrisa dolara ny vola hanatsarana ny fitaterana eto amintsika. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, ka hampiasana azy ny fanadiovana ny Lakandranon’i Pangalana, mirefy 200 km, miainga any Toamasina hatrany Mananjary. Eo koa ny fanatsarana ny seranan-tsambon’i Mahajan­ga sy Toamasina ary ny fanavaozana ny fotodrafitrasa amin’ny lalamby ampiasain’ny Madarail.

Eo am-pamolavolana ny lalàna mifehy ny fitaterana an-dranomasina. Natao, ny zoma teo, ny fivoriana mahakasika izany tao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana (MTM). Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny firindrana, ny fanarahan-dalàna ary ny fahombiazan’ny rafitra ara-dalàna hapetraka ny fivoriana. Nandray anjara tamin’izany koa ireo minisitera hafa voakasika, sady nizara ny fahaiza-manaony.

Partager sur: