Lomano-Afrika : Nahazo medaly volamena, volafotsy 3 ary alimo ny Malagasy

Namiratra ny Malagasy mpilomano nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja lomano, natao tany Oran Algérie, ny herinanandro lasa teo. Medaly 5 be izao no norombahin’ny Malagasy.

Nanoratra tantara ho an’i Madagasikara ny delegasionina malagasy tany Oran Algérie. Tsy vitan’ny nitondra medaly maro nody fa vokatra tsy mbola nisy tao anatin’ny taona maro no vi­tan’izy ireo. Voalohany amin’
izany ny medaly volamena azon-dRaharvel Harivony Jonathan, teo amin’ny 50m brasse. Voalohany amin’ny tantaran’ny taranja lomano malagasy no nisy lehilahy nahazo ny tompondakan’i Afrika. I Jonathan kosa no Malagasy faharoa taorian-dRatsifandrihamanana Bako nahazo ity anaram-boninahitra ity. Tao anatin’ny fe-potoana 28.30 no nanaovany izany. Ankoatra izay, mbola nahazo medaly volafotsy teo amin’ny 100 m brasse ihany koa izy ary torak’izany ihany koa ny teo amin’ny 4×100 m 4 Nages, lehilahy, niarahany tamin’i Ba­ritiana, i Francky ary i Tendry

Nisongadina ihany koa i Océane
Malagasy mpilomano ni­voatra tsikelikely Rakotona­nahary Océane no izao nametraka tantara izao ihany koa, tamin’ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika ity. Nahavita nanamontsana zava-bita tsara indrindra nasionaly izy, teo amin’ny 100 m Brasse ary nahazo medaly alimo. “Re­cord” efa tamin’ny 35 taona lasa (1987) ity montsan’i Océane ity. Tao anatin’ny fe-potoana 1’15’’50 no nanaovany izany, raha toa ka 1’15’’96 no nahavitan-dRatsifandriha­manana Vola izany, tamin’izany. Tsy vitan’izay fa mbola nahazo medaly volafotsy ihany koa i Océane teo amin’ny 50 m brasse. Ankoatra ny medaly, zava-bita tsara indrindra maro ihany koa no mon­tsana, anisan’izany ny vitan-dRabejaona Holy Antsa, teo amin’ny 50m Dos, ny an’ Andriampenomanana Bari­tiana, teo amin’ny 100m Nage libre sy 400m Nage libre ary ny 4×100 m Nage libre Mixte sy ny 4x100m Nage libre, lehilahy.

Mi.Raz

Partager sur: