Andron’ny tontolo iainana: Homena sehatra ny basikety 3×3

Mifanolo-tanana amin’ny minisiteran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana siantifika, ny Federa­sionina malagasin’ny basikety, amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana. Hisy ny fifaninanana basikety 3×3 na “Environment Contest 3×3”, natokana ho an’ny Oniversite, hatao ny 5 sy 6 jona izao, manoloana ny Lapan’ny Tanàna Ana­lakely. Raha ny fandaharam-potoana, ny fifanintsanana no hatao ny 5 jona, ny famaranana kosa ny 6 jona. Nambaran’ny Talen’ny ko­lontsaina sy ny fanatanjahantena ao amin’ny Mesupres, Dr Souleman, fa tanjona ny hankalazana ity andro ity amin’ny kolontsaina sy fanatanjahantena ary ny hanakaiky vahoaka araka ny lohahevitra “Fikarohana ma­nakaiky vahoaka”. Eo koa ny fanomanana ny fifaninanana nasionaly hatao any Toa­masina, ny volana aogositra izao. Ho hentitra ny fanaraha-maso ny fanarahan-dalàna amin’ity fifaninanana ity, araka ny nohamafisin’ny solontenan’ny FMBB, Rasaony Pascal. Fitaovana avy amin’ny federasionin’ny basikety avokoa no hampiasaina amin’io. Ankoa­tra ny fifaninanana basikety 3×3, hisy ihany koa ny dihy, slam, fanorona ary hira gasy goavana. Miara-misalahy amin’ny hetsika rehetra ny minisiteran’ny Tontolo iainana, ny Kaominina Antananarivo Re­nivohitra ary ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana.

Mi.Raz

Partager sur: