Sport Rugby- “XXL Top 12” : Ratsy toerana ny Savony, STM

Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, ny andro fahavalon’ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Somary ratsy toerana ao amin’ity fifanintsanana ity ny STM. Resin’ny klioban’ny Cheminot na Besetroka, tamin’ny isa 38 no ho 27, ry zareo, omaly. Raha hiverenana ny fihaonana, nanindry tanteraka ny zandrikelin’ny Besetroka. Naha­tsindry baolina voalohany, telo minitra nanombohan’ny lalao ireto farany, saingy, tsy voa­tsara izany. Dimy minitra taorian’io, nahatonga baolina nentin-tanana ny savony, ary voatsara. Taorian’izay nefa, nitohy hatrany ny fampisehoana nataon’ny Besetroka ka tany amin’ny isa 25 no ho 10 no nentin’ny roa tonta niala sasatra, nitarika ny US Cheminot. Tao anatin’ny fidirana faharoa, niezaka nanohitra ihany ny Savony, nifandimbiasana ny fifanafihana. Niafara tamin’ny isa 38 no ho 27 ny lalao, resy ny STM. Ankoatra izay, mbola manamafy ny toerany eo amin’ny laharana fahatelo ny FTM Manjakaray, rehefa nandavo ny Tam Anosibe, isa 44 no ho 31. Nirava sahala, 21 no ho 21, kosa ny USA Ankadifotsy sy ny 3 FB.

Fitia Randria

Partager sur: