Haratsian-dalana : tsy afaky ny fiara intsony Fandriana-Miarinavaratra

Anisan’ny lalana tena ratsy tsy azo andehanan’ny fiara intsony ny avy eo Fandriana mankany Miarinavaratra. Hany afaka mandeha amin’ity lalana ity sisa ny moto. Nanao ezaka ihany ny fokonolona
sy ny olona tsara sitra-po nandravona ny lalana tamin’ny alalan’ny angady ny volana janoary teo, saingy very maina izany, raha vao nirotsaka ny ora-mikija nentin’ny rivodoza Cheneso farany teo. Mirefy 24 km ity lalana ity.
Ny fiara tena matanjaka 4×4 ihany koa sisa no tena afaka mampiasa ny lalam-pirenena RN 41, miainga eo Ikelikampona (5 km mialoha an’Ambositra) mankany Fan­driana, mirefy 42,5 km. Mi­jaly ireo taksiborosy sy ny fiara madinika.
Maro ny lalana mampitohy ny distrika na ny kaominina toy izao. Toy ny eo Mora­manga mankany Anosibe An’Ala, Mahanoro-Marolambo-Ta­nambao Manampotsy, sns. Tsy tafavoaka ny vokatra any an-toerana, tsy tonga any ifotony ny famatsiana avy aty amin’ny tanàn-dehibe.

Njaka A.

Partager sur: