CSB sakaizan’ny tanora : Fahitalavitra 200 hanatsarana ny fahasalamana ara-pananahana

Vatsiana ara-pitaovana ny tobim-pahasalamana sakaizan’ny tanora. Hanampy amin’ny fanazavana momba ny fahasalamana ara-pananahana ireo fahitalavitra 200 haparitaka manerana ny Nosy ireo.

Fahitalavitra miisa 200 sy kojakoja miaraka aminy, toy ny kits solaires (panneaux solaires, convertisseur, batteries, régulateur de charge, fil 25m, stabilisateur) sy “flash disque” misy horonantsary fanentanana maro samihafa. Ireo ny fitaovana natolotra ny CSB sakaizan’ny tanora manerana ny Nosy. Avy amin’ ny alalan’ny tetikasa “Tafa1-Ambina” ho an’ny Fahasa­lamana iombonana (PPSB), vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola no nahafahana nahazo izany. Faritra valo dia i Menabe, Ihorombe, Fito­vinany, Atsimo Atsinanana, Sofia, Sava, Androy ary Atsimo Andrefana sy distrika 30 no hisitraka izany.
Tanjona ny hahafahan’ny zatovo sy ny tanora mahazo tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao sy mifanaraka amin’ny filàny, hivoarany sy handraisany anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Midina eny amin’ny fiarahamonina sy manakaiky ny tanora mihitsy ny tetikasa. Hanamafy ny fanentanana sy ny fanohanana ireo hetsika, mikendry ny fanovana ny fitondrantena, no tanjony
amin’izany.
Firenena anisan’ny maro tanora sy zatovo i Mada­gasikara. Misy amin’izy ireny no miatrika olana ara-pahasalamana eo amin’ny fananahana, ara-tsaina, ny vohoka aloha loatra, ny herisetra, ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny maro hafa. Izany indrindra no antony hanamafisan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­hoaka ny fanentanana sy ny fanabeazana ara-pahasalamana sy ara-pananahana ho an’ny vahoaka, indrindra ny tanora. Tanjona ny hahafantaran’izy ireo ny aretina mety hahazo, ny fomba hisorohana azy ary ny fiantraikan’izany amin’ny fiainany sy ny hoaviny. Mbola tsy tena malalaka eto amintsika ny firesahana ny fahasalamana ara-pananahana noho ny antony maro. Efa misy anefa ireo ezaka hirosoana amin’izany mba tsy ho fady intsony na ao an-tokantrano aza izany, ho fiarovana ny tanora.

Tatiana A

Partager sur: