Manoloana ireo basy sy fitaovam-piadiana ampiasain’ny jiolahy manao ny asa ratsiny any Toamasina. Nidina ifotony teny amin’ireo voalaza fa anisan’ny faritra mena ny polisim-pirenena any an-toerana, ny alahady lasa teo. Nitarika izany ny kaomisera Rakotovao Jean Christian sy ny mpiara-miasa aminy. Nijery ny toerana voalaza fa fialokalofan’ny jiolahy rehetra izy ireo tamin’izany. Toy ny tany amin’ny trano fisotroana, fanaovana karaoke ary ny toeram-pandihizana maro samihafa.
Nosavain’izy ireo ny toerana, moto, sakaosy ary ny paosin’ireo rehetra nifanehitra tamin’ny mpitandro ny filaminana. Tanjona ny hisorohana ny fampiasan’ny jiolahy fitaovam-piadiana mahery vaika eo an-tampon-tanànan’i Toamasina, rah any tatitra voaray teo anivon’ny polisim-pirenena any an-toerana.
Fampiasana aroloha
Nampianatra ireo mpitondra moto ihany koa ny mpitandro filaminana taorian’izay. Nohamafisin’izy ireo fa tokony hanao aroloha foana izay mitaingina kodiaran-droa. Tsy azo atao ny taingin-telo. Niroso tamin’ny fisavana sy ny fanaraha-maso avy hatrany izy ireo avy eo. Vokany, anjatony ireo moto tratra tsy nanara-dalàna tany an-toerana. Tao ny tsy nanao aroloha, maro ny olona mamo teo am-pamiliana.
Ankoatra izay, nitohy ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana teny amin’ny Bazary Vorondolo ao Ambolomadinika. Nohamafisin’ireo polisim-pirenena fa tsy tokony hiverina hivarotra eo amin’io toerana io intsony ireo mpivarotra. Anisan’ny toerana iray hitobian’ny entana halatra io toeram-pivarotana io, hoy ny avy amin’ny polisy.
“Atao izao rehetra izao mba hahafahana manatratra sy misambotra azy ireo miaraka amin’ny fitaovana ampiasainy mandritra izany”, araka ny baiko avy amin’ny Kaomisera, talem-paritra vaovao.
Sajo sy Mino
( mpianatra asa)