Sendika mpiasan’ny APMF: « Manontsana ny fitsi­kilovana ny mpiasa »

Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao ny fianakaviamben’ny mpiasa sy ny sendika (SMA) eo anivon’ny Agence portuaire, maritime et fluviale na APMF. Mirongatra ny antsojay atao amin’izy ireo, noho ny antony samihafa. Miafara amin’ny fandrahonana sy fitsikilovana izany. Anisan’ny hisintonan’izy ireo ny lakolosy ny mahakasika ny fihainoana ny antso an-tariby na ny « écoute téléphonique », tsy nahazoana alalana.
«Manoloana ny vaovao miely eny amin’ny tambajotran-tserasera, ny fanaovana hery famoretana izay tsy mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery, ny tsy fanajana ny fifanarahana iraisana mahakasika ny famindran-toerana anatiny sy ivelany ny mpiasa ka miteraka fikorontanana, dia manentana ny manampahefana isan’ambaratonga izahay mba hijery akaiky ny zava-misy », hoy ny fanambaran’ny sendika. Miantso ny minisitra tomponandraikitra, ny Praiminisitra ary ny Filo­han’ny Fanavaozana izy ireo.
Tsiahivina fa hatao famotorana eny amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava an’ny zandarimariam-pirenena Fiadanana, ny sekretera jeneralin’ny sendika, amin’izao fotoana izao. Tsy fantatra mazava ny antony, raha nidina ifotony nanao fanadihadiana teny an-toerana ny mpanao gazety. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana rahateo ny mpitandro filaminana, tsy maintsy manaja ny tsiambaratelon’ny famotorana. Raha nanontaniana mahakasika izany ny teo anivon’ny sendika dia tsy nahazoana antsipiriham-baovao ihany koa ho fanajana ny lalàna manan-kery.

r.r

Partager sur: