Nifarana tetsy amin’ny Centre de conférence international (CCI) Ivato, ny alahady teo, ny Tsenabe iraisam-pirenena eto Madagasikara na “ Foire internationale de Madagascar” (Fim), andiany faha-27. Nisongadina nandritra ny efatr’andro ny fandraharahana sy ny vokatra malagasy izay nifantoka tamin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fampihaonana ireo mpisehatra. “Fahombiazana ny hetsika tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa”, hoy ny tale jeneraly lefitry ny MadaVision, sady mpikarakara ny hetsika, Ranaivo Oranne. Tratra, hoy izy, ny tanjona dia ny nametraka rafitra matihanina ho an’ny Fim. Hita taratra izany tamin’ny akon’ireo mpandray anjara sy mpampiranty. Anisan’ny nahasarika olona betsaka ireo dinika sy fifanakalozan-kevitra ary atrikasa samihafa. Nokendrena manokana ny hisitrahan’ireo mpitsidika traikefa sy fahalalana ary fifandraisana vaovao eo amin’ireo mpandraharaha, mpianatra ary orinasa, raha ny fanazavana voaray. Nivoitra tamin’ity andiany ity ny fifandraisana matihanina niforona teo amin’ireo orinasa. Betsaka ireo nahita fiaraha-miasa sy fifamenoana eo amin’ny sehatr’asa ataony ka nahatonga ny fifandraisana ara-barotra mafy orina.
Sehatr’asa
Zava-baovao tamin’ity andiany ity ny “Speed-Reruting”. Maro ireo tonga nanatitra CV sy nihaona mivantana tamin’ireo orinasa teny an-toerana. “Nahafa-po ny maro izany ary mbola haverina amin’ny hetsika manaraka”, hoy ny mpikarakara. Hita taratra, tamin’izany, ny filàn’ny tsenan’ny asa eto amintsika. Ankilany, tafakatra 30 000 ireo mpitsidika ny hetsika tamin’ity taona ity. Manome fotoana amin’ireo hetsika hafa sahady ireo mpikarakara. Hotanterahina ny 10 ka hatramin’ny 13 septambra ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny Fambolena sy fiompiana (FIA) izay hiaraka amin’ny “Festival international de la gastronomie” (FIG). Hatao ny 22 ka hatramin’ny 25 oktobra kosa ny “Salon international de l’habitat” (SIH).
Henintsoa




