Dinihina mandritra ny Africa Forward, atsy Nairobi Kenya, ny hampivondronana ireo mpisehatra rehetra mitondra fiovana aty amin’ny kaontinanta afrikana. Mandray anjara amin’ity fivoriana iraisam-pirenena ity ny delegasionina malagasy, tarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, izay tonga tany an-toerana, omaly.
Nivoaka omaly ny antso ho an’izay liana hitantana ny toby fiantsonana Amoronakona. Alefa eny amin’ny biraon’ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) Soarano ny antontan-taratasy, fara-fahatarany amin’ny zoma 15 mey amin’ny 4 ora sy sasany tolakandro, na alefa mailaka amin’ny adiresy attdocssr1@gmail.com. Tsiahivina, fa ho sokafana amin’izay ity fotodrafitrasa ity, ho an’ny kaoperativa mampiasa ny lalana RN2 sy RN7.
Natao tany Ebène Maorisy, ny 6 sy 7 mey teo, ny fivorian’ny Komitin’ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ny ambana (Car) ao amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI). Nandray anjara tamin’izany ny solontena avy amin’ny firenena dimy dia La Réunion, Kaomoro, Seychelles, Madagasikara ary Maorisy. Nodinihina ny asa fitsirihina fanamarinana anatiny ho an’ny taona 2025. Nojerena ny vokatra ho an’ny tetikasa tohanan’ny Vondrona eoropeanina, ny tatitra ara-bola, sns.




