CHU Anosiala : Maimaimpoana ny fandidiana sima

Iankinan’ny endriky ny tarehy ny fahavitan’ny fandidiana ny molotra sima. Efa azo atao tsara eto amintsika ny fandidiana izany ary efa maro ireo nisitraka. Tsy misy atahorana ny fandidiana satria efa za-draharaha ireo mpitsabo no nianatra manokana mahakasika izany koa.
Tena fanarenana ny endrik’ilay olona ny fanadidiana ary misongadina ny fiovana aorian’izany.
Manatanteraka ny hetsika fandidiana molotra sima ny CHU Anosiala. Amin’ny faran’ity volana ity ny fara fisoratana anarana ho an’ireo maniry ny hisitraka izany, eny an-toerana. Iarahana amin’ny ONG Well International ny hetsika ary maimaimpoana tanteraka.
Na zaza na tanora na olon-dehibe dia afaka misitraka izany avokoa. Ho afaka ny henatra ary tsy hiafinkafina intsony ireo manana molotra sima rehefa tanteraka tsara ny fandidiana.
Efa azo tsaboina eto amintsika ny molotra sima sy ny vaky lanilany izay mahatonga ny ankizy tsy hahay hiteny tsara toy ny rehetra.

Tatiana A

Partager sur: