Fandalovana rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny, mandritra ny herinandro. Hahazo vahana hatrany anefa ny tsioka avy atsinanana na ho an’ny tapany avaratra atsinanana. Tombanana hisy alondrano avy atsimo andrefana handalo ny morontsiraka Atsimo Andrefana sy Anosy amin’ny faran’ny herinandro. Hanorana malefaka miatoato, amin’ny ankapobeny, ny andro any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanan’ny Nosy sy ny ilany avaratra atsinanana mandritra ny herinandro. Ho maina kosa ny faritra sisa, izay hialohavana zavona vao maraina ny afovoan-tany sy ny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy. Manodidina ny 9 – 25 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 24 – 38 °C ny tolakandro.
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fanokanana ny Centre de formation professionnelle de référence Moramanga, izay notarihin’ ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Ao anatin’ny LTP Moramanga no misy ity fotodrafitrasa vaovao ity. Ahitana efitrano fianarana telo natao hanamafisana ny kalitaon’ny fampiofanana arakasa sy hanomezana sehatra manara-penitra ho an’ny mpiofana.
Teny Betongolo ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny fahadimy taonan’ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar, ny faran’ny herinandro teo. Maniry ny hanitatra ny fikambanana manerana an’i Madagasikara ny mpitantana ka hahazo fahalalana momba ny fahasalamana ara-tsaina ny Malagasy rehetra. Antsirabe no hanombohana izany amin’ity taona ity. Maro ireo mpiara-miombon’antoka nanampy nandritra izay dimy taona izay.




