Nihinana composé : Olona 69 niara-narary

Olona 69, miara-tsaboina eny anivon’ny hopitaly HJRA Ampe­filoha, nanomboka ny alahady lasa teo. Nihinana composé tamina tsena mpivarotra hani-masaka tetsy Namontana izy ireo, ny zoma sy sabotsy lasa teo, raha ny fanazavana voaray. Nanomboka narary sy hafahafa ny toe-pahasalaman’izy ireo, taorian’ny fihinanana io sakafo io. Samy narary kibo, nandoa sy nivalana ary nafana hoditra avokoa. Nanatona toeram-pitsaboana ireo narary mba hijerena ny toe-pahasalamany. Fantatra tamin’ny fizahan’ny mpitsabo, fa marary vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo faobe izy ireo. Taorian’ny fitsaboana natao azy ireo, efa nalefa nody ny 40, raha mbola manaraka fitsaboana kosa ny 29 ambiny. Efa nisy ny olon-kafa nalefa nody, omaly, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny hopitaly saingy tsy mbola voafaritra ny isa. Marihina fa tonga nitsidika ireo marary ireo tetsy amin’ny HJRA, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Managna Mo­nira, afakomaly. Efa nakana singa ny sakafo nandrahoana teo amin’ny tsena nahatonga izao fahararian’olona maro izao. Andrasana ny valin’ny fizahana. Entanina hatrany ny rehetra mba hitandrina amin’ny fahadiovana sy ny fikarakarana sakafo, tsy hahatonga azy hivadika ho fahapoizinana tahaka ity tranga ity.

Mino

 

Partager sur: