Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa mihetraketraka ao amin’ny kaominina Tsifota, Toliary II, ny teratany vahiny iray. Nohidiny tsy azo andehanana intsony ny lalam-bahoaka. Manana trano fandraisam-bahiny izy ary mbola nividy tany hafa, elanelanin’ny lalana amin’izany toerana izany. Notampenany ny lalana, raha nanaja ny fahafahana mampiasa izany avokoa ireo rehetra mipetraka amin’io toerana io. « Tsy nifampierana tamin’ny mponina manodidina izany na koa nanaovana fangatahana tany amin’ny manampahefana », hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Nitaraina ny vahoaka any an-toerana sy ny mpampiasa io lalana io. Anisan’izany ireo mpitatitra. Mahatsiaro ho voaelingelina ny fiainana sy ny fihariana ary ny fandriampahalemana any an-toerana, araka ny nambaran’izy ireo.
Nandray andraikitra ny manampahefana avy amin’ny OMC ao Toliara niditra an-tsehatra nandamina izany. Mbola mampiaka-peo sy mirehareha anefa ity teratany vahiny ity. Mandefa feo amin’ny manodidina izy fa tsy misy tsy voavidin’ny vola, hono. «Tena sahisahy ity vahiny ity, indrindra moa fa amin’izao andron’ny Fanavaozana izao. Toa mihantsy ady aminay mponina mihitsy aza», hoy ny solontenan’ ny vahoaka any an-toerana.
Tsiahivina fa efa avy niasa tao amin’ny Base Toliara ity teratany vahiny ity ary nanambanimbany ireo Malagasy. Efa tsy miasa ao intsony ny tenany amin’izao fotoana izao.
Synèse R.




