TSELATRA

Niakatra teny anivon’ny Pac 67 Ha, omaly, ireo olona enina voarohirohy tamin’ny fanaovana kolikoly sy fanapariahana laza adina mialoha, hidirana ho mpirakidraharaha eo anivon’ny fitsarana (ENMG). Mpiasa eo anivon’ny sekoly ny telo amin’izy ireo, izay samy niaiky heloka avokoa. Nanda ny fiampangana azy kosa ny olona telo hafa. Andrasana ny 26 mey 2026 ny didy avoakan’ny mpitsara mahakasika izany.
Nidina an-dalambe ny mponina etsy Anosipa­trana, omaly hariva. Nandoro kodiarana sy nitsoka kiririoka izy ireo nandritra izany. Anton’ny hetsika ny fahatapahan’ny jiro eny an-toerana sy ny manodidina efa ho telo andro izay. Etsy ankilany, nanao toy izany koa ny mponina etsy Anosizato Atsinanana omaly hariva. Hanalana ny sefo fokontany eny an-toerana ny anton’ny fihetsiketsehana.

Partager sur: