Hifarana anio ilay lalao ara-pirahalahiana taranja basikety, izay natao hitsapana ny ekipa malagasy ary hanomanan’i Mayotte ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), izay hatao eto amintsika. Araka izany dia hitambatra ho ekipa iray ny GNBC sy Cospn raha hihaona amin’i Mayotte. Lalao hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Tsiahivina fa lavon’ny miaramila tamin’ny isa 67 no ho 62 i Mayotte, omaly, tao amin’ny Palais des Sports. Raha hiverenana ny lalao, resin’i Mayotte tamin’ ny isa 29 no ho 34 ny ekipa malagasy teo amin’ny fizaram-potoana voalohany (1er Quarts-temps: 11-22, 2ème QT : 18-12). Teo amin’ ny fizaram-potoana faharoa kosa vao taitra tamin’ny torimasony ny miaramila ka lasa 67 no ho 62 ny isa (3ème QT: 15-15, 4ème QT : 23-13). Tsy naharesy ny GNBC mihitsy izany i Mayotte. Tsara ny mampatsiahy fa ny 9 febroary lasa teo, lavon’ny GNBC tamin’ny isa 61 no ho 54 i Mayotte, tao amin’ny kianjan’i Mahamasina. Azo lazaina fa manana herijika kokoa ny GNBC nandritra ny fihaonana roa izay natao.
Marihina fa afindra ao amin’ny “Grand Palais” ny lalao anio, raha toa ka tao amin’ny “Petit Palais” izany teo aloha. Hafana tanteraka ity lalao anio ity, samy tian’ ny roa tonta ny hamarana ny lalao amin’ny fandresena.
Fitia (Mpianatra asa)