Nahatratra 183,5 tapitrisa ny isan’ny mpanjifan’ny Airtel Africa, tamin’ny taom-piasana nifarana ny marsa 2026 teo. Nahatratra 10,5 % io fitomboana io, betsaka indrindra hatramin’izay.
Nitombo 14,8% ny isan’ny mpanjifa nisitraka ny tolotra Airtel, niisa 84,2 tapitrisa. Niakatra 49,5% ny mpampiasa finday, raha 4,7% tamin’ny taom-piasana teo aloha. Tafakatra 8,9 Go isam-bolana ny fampiasana ny internet, raha 7 Go teo aloha, nahitana fitomboana 16,2%. Nitombo ho 54,1 tapitrisa ny mpampiasa ny fifanakalozam-bola, Airtel Money, nisy fiakarany 21,3% isan-taona. Nahatratra 215 miliara dolara ny vola nokirakiraina, nifanakalozana tamin’ny telo volana farany ho an’ny taom-piasana 2026.
Nitombo 24% ny vola nokirakirain’ny Airtel Africa, ny taona 2026, nitentina 6,415 miliara dolara. Niakatra 17,1% tany amin’ny firenena miteny frantsay ary 47,5% ho an’i Nizeria. Nitombo 49,3% ny tombony amin’ny EBITIDA, nitentina 3,162 miliara dolara, nisy fitomboana 37,2 % ho an’ny vola isaky ny firenena ary 30,4% ho an’ny fifanakalozam-bola vahiny. Nahatratra 813 tapitrisa dolara ny tombom-barotra, efa nanesorana ny hetra, raha 328 tapirisa dolara tamin’ny fotoam-piasana 2025. Nitentina 127 tapitrisa dolara ny vola azo avy amin’ny tolotra hafa ankoatra ny fifandraisan-davitra.
Nitombo ny fampiasam-bola
Vao mainka nahafahana nampitombo ny fampiasam-bola ireo vokatra ireo. Nitombo 31,9% izany, nitentina 884 tapitrisa dolara, izay nifanaraka tamin’ny vina nahitsy. Maherin’ny 3 250 ny masoivoho vaovao natsangana, nampitomboina 3 200 km ny «fibre optique», ka lasa 81 900 km. Vinavinaina ho 1,1 miliara dolara ny fampiasam-bola hampiasaina
amin’ny taom-piasana 2027.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Airtel Africa, i Sunil Taldar, fa «nahafapo tokoa izao zava-bita sy vokatra azo izao. Manamarina fa mafy ny fototry ny sehatry ny fifandraisan-davitra sy ny fitomboana nentiny. Nahomby ny paikady napetraka, nahafahana nampitombo ny isan’ny mpanjifa, ny vola nokirakiraina ary ny tombom-barotra azo”.
Njaka Andriantefiarinesy




