Tsarakofafa Toamasina : Nomena tany 250 m2 isan-tokantrano ny mponina

Nitohy ny 9 mey teo, tao amin’ny Pact Ambodimanga, ny fihaonana teo amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, sy ny fokonolona. Nifantoka tamin’ny fipetrahana tsy ara-dalàna ny tanin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina, ao amin’ny Port Sec faharoa sy ny Port Sec fahatelo, any Tsarakofafa, ny fotoana. Vahaolana sady marimaritra niraisana ny hamindrana ireo mponina ahitana tokantrano miisa 270, nipetraka tao amin’ny Port Sec fahatelo, any amin’ny Port Sec faharoa. Omena velaran-tany 250 m2 maimaimpoana tsirairay avy isan-tokantrano izy ireo. Nilaza ny tale jeneralin’ny Seranan-tsambo (Spat), Randriambahoaka Heritiana Anicet, fa hiantohan’ny Spat ny famindrana azy ireo. Ho karakaraina ny antontan-taratasy, ka ho azy ireo tanteraka ny tany. Hanomboka amin’ny volana jona ny asa fanajariana, ka hatao toerana malalaka hiantsonan’ny fiarabe mpitatitra entana ny Port Sec fahatelo, izay mifandray amin’ny lalam-pirenena faha-2. Tsiahivina fa efa nisy velarana ranomasina 10 ha nototofana, hametrahana ny kaontenera.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanitarana ny seran-tsam­bon’i Toamasina, mitentina 500 tapitrisa dolara avy amin’ny Fiaraha-miasa Japoney (Jica), ity fandaminana ity.

Sajo

Partager sur: