VAOVAO TAMBATRA

Hanokana 23 miliara euros ho an’i Afrika i Frantsa. Hifantoka kokoa amin’ny fampiasam-bola io sorabola io, izay nampitomboina, fa ahena kosa ny fanampiana ara-bola. Midika izany fa ny fiaraha-miombon’antoka na fampiasam-bolan’ny orinasa frantsay no hitombo, manoloana ny fifaninanana ataon’ny firenen-kafa, toa an’i Sina, ny arabo, izay hita miroborobo sy miha mahazo vahana eto amintsika.

Misy zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe, fanampiny, ny alakamisy 14 mey, fetin’ny «Andron’ny Fiakarana». Miisa telo ny zotra, ka miainga amin’ny 8 ora sy 30 mn ny voalohany eo amin’ny gara Soarano, amin’ny 11 ora sy 30 mn ny faharoa ary amin’ny 4 roa hariva ny fanintelony. Miainga amin’ny 9 ora sy 45 mn kosa ny any Ambohimanambola, amin’ny 12 ora sy 45 mn ny faharoa ary amin’ny 5 ora sy 15 mn ny hariva.

Ampiasaina ny sehatra niomerika vaovao
«E-Tolobidy Tsenambaro-panjakana Malagasy». Natao izany hiadina amin’ny kolikoly sady hanatsarana ny volam-panjakana, eo anivon’ny Fahefana mandrindra ny tsenambaro-panjakana (ARMP). Ho mora ny fizaram-baovao ara-potoana, mivantana ary haingana manerana izao tontolo izao amin’ny lafiny

tsenambaro-panjakana.

Partager sur: