Fe-potoana dimy andro ihany no nomen’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ahafahana manao fifindrana mpilalao anatin’ity taom-pilalaovana ity. Samy naneho ny heviny ireo klioba goavana toy ny Fosa, Disciples, Elgeco Plus, CFFA.
Navoakan’ny pejin’ny Federasionina malagasin’ ny baolina kitra (FMF), afakomaly, fa efa nanomboka ny 11 ka hatramin’ny 16 mey ho avy izao ny fe-potoana fifamindrana mpilalao. “Dimy andro ihany!” Samy naneho ny heviny ireo tomponandraikitra anivon’ny klioba samihafa, miatrika ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”. Anisan’izany ny Elgeco Plus, ny Disciples FC, ny Fosa Juniors, ary ny CFFA.
Raha ho an’ny Elgeco Plus, tompondaka farany, nisafidy ny tsy haka mpilalao ry zareo, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao iray. “Tsy haka mpilalao intsony aloha izahay, hatreto, fa hampiakatra an’ireo mpilalao fiandry. Fa raha misy ny te hifindra ao aminay, an- tsitrapony, dia azo raisina izany, fa hatao manaraka ny ara-dalàna”, hoy hatrany ity tomponandraikitra ity.
Etsy ankilany, ny mpitantana ny Disciples FC Vakinankaratra koa dia nanambara fa tsy tokony ho ao antenantenan’ny taom-pilalaovana tahaka izao no hanaovana ny fifindrana mpilalao, fa tokony ao anaty “Mercato d’hiver sy été”. “Tsy mitsipaka an’ilay fifindrana izahay, fa mangataka kosa ny hanaovana izany anatin’ny mangarahara”, hoy ity lehiben’ ny ekipa avy atsy Vakinankaratra ity.
Mbola handinika …
Nilaza kosa ny lehibe iray eo anivon’ny klioba CFFA Andoharanofotsy fa mbola hifampiresaka sy hivory ny tomponandraikitra mahakasika izany. “Tsy manakana an’ireo izay te hiditra nefa izahay, fa misy fepetra takinay fotsiny dia ny fitiavana an’ilay klioba sy ny tanjona iarahana. Raha misy izany, tsy olana, afaka hamboarina ny taratasiny”, hoy ny loharanom-baovao iray ao amin’ny CFFA.
Ankoatra izay, misafidy ny tsy haka mpilalao kosa ny Fosa Juniors Boeny. Raha ny fanazavana nataon’ny lehiben’izy ireo dia tsy ao anatin’ny politikan’izy ireo izany fa ny mampiakatra an’ireo taninketsa no laharam-pamehana ho an’ity klioba avy atsy Boeny ity.
Fitia Randria




