Tontosa ny alatsinainy lasa teo, teny amin’ny Kianja Betongolo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe. Voahosotra ho tompondaka, teo amin’ny sokajy lehilahy, ny Pac, nahitana an’i Hery Morondava sy i Balôty ary i Eliot. Resin’izy ireo tamin’ny isa 13 no ho 6, teo amin’ny famaranana, ny ekipan’ny Fam, nisy an’i Tafita sy i Rado ary i Jean. Tsiahivina fa samy andrarezina no nidona teto, izay efa samy niaro ny voninahi-pirenena, toa an’i Tafita sy i Balôty. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, norombahin’ny klioba UBMT, nisy an’i Marinah sy i Fenitra ary i Tatie ny amboara. Ho an’ny “vétéran”, tompondaka ny ABC, notarihin’i Palin sy i Andry ary i Mamy. Teo amin’ny “junior” indray, tompondaka ny CB3A. Nitombo ny mpandray anjara tamin’ity satria niisa 132 ny ekipa lahy raha 20 ny vétéran, 13 ny vehivavy ary 10 ny zandriny.
Ankoatra izay, vita ny zoma 8 mey teo, teny Ambodin’Isotry, ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny klioba CAI. Voafidy tamin’izany, hiasa mandritra ny efa-taona Rasoloniaina Haja Navalona Alain Joel. Tsy nisy mpifaninanana fa izy irery no kandidà ka 29 tamin’ireo 30 no nandatsa-bato ho azy. Tsiahivina fa natrehin’ny solontenan’ny minsiteran’ny Fanatanjahantena ny fifidianana. “Hampandroso ny klioba, hanao fitantanana mazava ary handrombaka ny fifaninanana rehetra no tanjona”, hoy izy.
Tompondaka




