TSELATRA

Voasambotry ny polisim-pirenena ny lehilahy iray nangalatra tao amin’ny hopitaly CHUMEA Ambohi­miandra, ny 12 mey teo, tamin’ny 9 ora sy fahefany alina. Niditra antsokosoko tao amin’ny faritry ny hopitaly io lehilahy io ary nikasa hangalatra ny fitaovana fanoratana tao an-toerana. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ny tsara sitrapo ka noraisim-potsiny ilay olon-dratsy.
Mpivarotra rongony iray voasambotry ny ekipan’ny polisim-pirenena CSP5 teny Anosibe, ny 12 mey teo, tamin’ny 4 ora hariva. Nandritra ny fisafoana nataon’ny mpitandro filaminana, naneho fihetsika nampiahiahy io lehilahy io ka nosavaina. Tsy nisy niafina fa nahatrarana rongony efa voatsinjara teny aminy ka noraisim-potsiny. Nogiazana ny zava-mahadomelina raha toa ka naiditra vonjimaika any am-ponja ilay lehilahy.

Partager sur: