Vetaveta sadasada

 

“Mandeha ny mandeha!”, hoy ny fitenin-jatovo izay. Tena manao tokoa aloha ilay mpitondra raha tsaraina amin’ny endrika ivelany. Ny vola misy, ny aina rahateo matanjaka, ny fiaraha-miasa sy fanampiana mirarakompana. Azo lazaina tsy hisedra olana intsony aloha ny fampandehanan-draharaha. Miroso ny zava-drehetra ary mandeha araka ny tokony ho izy ny tetiandro ho an’ny fikaonandoham-pirenena. Ilay Filoham-panjakana rahateo nanamafy fa tsy maintsy handeha ny fifidianana. Tsy hisy tetezamiitatra izany, hoy ny nambarany.
Na izany aza, tsy manga 100% ny lanitra ho an’ny mpitondra. Maro ny fanarenana hatao maika. Manahirana ny mahita ireo mpisolelaka, maka 19/20. Tsy ny asa fampandrosoana sy izay hahavita ny fikaonandoha no mahamaika fa ny fanodinan-dresaka. Nahavariana ny mahita eny anivon’ny fiarahamonina sy ny tambajotran-tserasera ny fivoizana fankahalana sy fampirisihana hisambotr’olona. Mbola any amin’izany ve no laharam-pahamehana? Gaga ianao! Lalaovina ilay raharaham-pirenena, sitrany ahay mahita rirany kely amin’ny fotoana maharitraritra. Fitiavan-tena tsotra izao.
Mila mahay manilika ireny hoditrakondro, lazaina ho sakaiza mahatoky ireny ihany aloha ilay fanjakana. Tsy ny olona mahay “eny Misie” sy ny “tompoko tompoko” velively no hanavotra amin’ny ora farany.
Ireny mpikarama an’ady, tsy mena-mivadika, raha misy ny manolotolotra misimisy kokoa ho azy. Mila mahay manoritra tsara ny lalan-kizorana. Tsy mibitabitaka amin’ny “hosana hosana” faosika. Jamban’ny lela mpandroboka mamarina an-kady. Manjera tsikelikely any amin’ny faharavana noho ny fahalovana misoko mangina.
Ny indrokely amin’izao fotoana izao, ny mpanolotsaina tena izy no heverin-dry zalahy ho mpanolo-batomafana. Ny mpandroboka mety handefona ivoho no tombanana ho mpamatsy ny soa. Mivadika ny rasa: ny matihanina atao an-jorom-bala, ny tsy matihanina indraindraina… boribory vetaveta sadasada!

r.r

Partager sur: