Tsy ampy ny rano. Mahatratra 144 000 m³ isan’andro ny banga eo amin’ny famokarana rano eto Antananarivo. Antitra avokoa ny ankamaroan’ireo tambajotra mpitsinjara izany ka mahatonga fahaverezan-drano betsaka eto amintsika.
Mbola sedra lehibe ho an’i Madagasikara ny tsy fahampian-drano, indrindra eto Antananarivo. Nambaran’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana, Dr Razafindrianiaina Elia Minosoa Anjaratiana, nandritra ny fampahafantarana ny tomban’ny asa vita, tetsy Ankorondrano, ny alarobia teo. “Mahatratra 144 000 m³ isan’andro ny banga eo amin’ny famokarana rano eto Antananarivo”, hoy izy. Nohamafisiny fa “tsy ampy ny rano, na eto an-drenivohitra na any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy”.
Araka ny fanazavany, anisan’ny mampitombo ny olana ny fahasimban’ny tambajotra mpitsinjara rano efa tranainy, izay miteraka fahaverezan-drano betsaka. “Anisan’ny laharam-pahamehan’ny governemanta ny famahana ny olan’ny rano”, hoy izy. Vahaolana azo hisorohana izany ny fampandehanana ny tetikasa PAAEP, Tana Water III ary ny PIAA 2. Nambarany ihany koa fa andraikitry ny Jirama ny miantoka ny fitsinjarana rano sy manatsara ny kalitaon’ny tolotra omena ny mpanjifa.
Fotodrafitrasa
Nanomboka ny volana septambra 2025 ka hatramin’ny mey 2026, fotodrafitrasa famatsian-drano miisa 543 no napetraky ny minisitera manerana ny Nosy. Misy ny fotodrafitrasa vaovao natsangana, misy ireo simba ka narenina ary misy ireo tetikasa tsy vita teo aloha notohizana sy novitaina. Maro koa ireo tetikasa mbola tanterahina, toy ny PAAEP, ny Tana Water III ary ny PIAA 2. Tanjona ny hamahana ny olan’ny famatsiana sy hisitrahan’ny mponina rano fisotro madio.
Mahakasika an’i Mandroseza, hotanterahina ny zoma 15 mey ny andrana voalohany amin’ny fampiasana ny fotodrafitrasa vaovao. “Hiakatra hatramin’ny 20 000 m³ isan’andro ny vokatra avy amin’ ny Mandroseza II”, hoy ny minisitra. Tombanana hahatratra 120 000 m³ isan’andro kosa ny famokarana avy amin’ny Mandroseza I. Kendrena manokana ny hanatsarana ny famatsian-drano sy hampihenana ny fahatapahana amin’ireo faritra marefo eto Antananarivo.
Henintsoa




