Hamafisina ny fiarovana ny Valanjavaboahary Menabe Antimena (Apma). Tonga tany Beroboka, distrikan’i Belo Tsiribihina, ny tomponandraiki-panjakana rehetra, niaraka tamin’ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana any an-toerana. Nohazavaina ny faritra misy ny tanin’i Deholme, ny faritry ny Ala Fady sy ny hafa tamin’ny alalan’ny fanehoana ny sarintany mamaritra azy ireo avy.
Nentanina hiditra anatin’ny ara-dalàna ny mpitrandraka volamena madinika any Satramaha, kaominina Analavory, distrika Manakara. Nampahafantarina koa ny lalàna mifehy ny seha-pihariana volamena. Nohazavaina ny antony ilàna ny kara-bolamena sy ny hananganana ny fikambanana mpitrandraka madinika ahafahana manome tantsoroka sy haha matihanina azy ireo. Eo koa ny fitsinjovana ny tontolo iainana, hanotofana ny lavaka nohadiana, sns.
Mahatratra 101 dolara hatramin’ny 107 dolara ny vidin-tsolika iray barila (1b= 159 l), ny alarobia teo, eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsiahivina fa 76 dolara ny vidiny tamin’ny 27 febroary, fotoana nialoha ny nipoahan’ny adin’Iran sy Etazania sy Israely. Nidina kely io vidiny io, raha efa tafakatra 114 dolara tamin’ny 4 mey teo. Na izany aza, miantraika amin’ny vidim-bokatra sy ny vidim-piainana rehetra maneran-tany ity halafosan’ny vidin-tsolika ity.




