SOMBIM-BAOVAO

Hifarana rahampitso ny fe-potoana nomen’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), hahafahan’ireo klioba manao fifamindrana mpilalao eto Madagasikara. Raha tsy misy moa ny fiovana farany, efa nilaza ny akamaroan’ireo ekipa sangany eto an-toerana fa tsy haka mpilalao hanatevina azy izy ireo. Anisan’izany ny Disciples FC, ny Fosa Juniors, ny Elgeco Plus, tompondakan’i Madagasikara farany teo.

Misaona ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana ny alarobia lasa teo, Rakotomamonjy Zozimar (Bila), mpilalaon’ny Elgeco Plus ary efa niaro ny voninahi-pirenena nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipa tompondaka. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny klioba Elgeco Plus ny ekipan’ny Gazety Taratra.

Hotanterahina any Maevatanàna, ny 22 sy 23 mey izao, ny fifaninanana Lite Quest “Red River 3×3″, taranja basikety. Ny sokajy élites lahy sy vavy, latsaky ny 23 taona ary ny latsaky ny 17 no hifaninana amin’izany.

Nigadona an-tanindrazana omaly alakamisy ny delegasionina malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja lomano, natao tany Oran Algérie. Tsiahivina fa namiratra ny Malagasy mpilomano, nahazo medaly 5 (volamena 1, volafotsy 3 ary alimo 1).

Partager sur: