Anisan’ny tena olana amin’ny famatsian-drano eto an-dRenivohitra ny fantsona efa antitra sy harafesina. Ankehitriny, efa an-dalam-panatanterahana ny fanoloana azy ireny, raha tsy nety vita hatramin’izay fa nijanona ho fikasana ihany.
Feno 50 taona ny orinasam-panjakana Jirama. Anisan’ny tena mampitaraina ny mpanjifa tato aho ato ny fihenan’ny famatsian-drano, ka nilazan’ny mpitantana ny Jirama fa hampiharina ihany koa ny fanapahana mihodina ny famatsiana, izay efa tsy ampy rahateo. Ankoatra izany, notokanan’ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, ny fotodrafitrasa fanadiovan-drano, mamokatra 20 000 m3 isan’andro, eny Mandroseza II Bis. Tombanana ho 100 000 m3 isan’andro ny famatsiana tsy ampy eto an-dRenivohitra. Olana goavana koa ny fahanteran’ny fotodrafitrasa, indrindra ny fantson-drano izay efa harafesina ny ankamaroany. Fantatra fa efa an-dalam-panatanterahana ny tetikasa fanoloana fantson-drano mirefy 64 km. «Miezaka manarina isika manoloana ny fahalovana sy ny fahasimban’ny fotodafitrasa. Ezaka atao ny hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny Jirama sy ny fitondram-panjakana», hoy ny filoha Randrianirina Michaël, omaly.
Amin’izao faha-50 taonan’ ny Jirama izao, niantso ny mpiasa ny filoha, hahay iray hina, hifanohana sy hifanampy amin’ny mpitantana. Tanjona ny hampirindra ny asa atao mba ho tombontsoan’ny orinasa sy ny vahoaka malagasy. «Mba ho orinasa matanjaka sy tena mahaleo tena tokoa ny Jirama ato anatin’ny 50 taona manaraka», hoy ihany izy.
Nohamafisin’ny Filohan’ny Fanavaozana fa «tsy haitraitra na aingitraingitra fotsiny ny famatsiana jiro sy rano fa zo fototra tokony hisitrahan’ny vahoaka, izay laharam-pahamehan’izao fitondrana izao».
Hahatratra 400 tapitrisa dolara
Mitentina 200 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny tetikasa PAAEP, hamahana ny olan’ny famatsian-drano eto amintsika. Ka ao anatin’izany ity fananganana fotodafitrasa eny Mandroseza ity. Hahatratra 400 tapitrisa dolara izany hatramin’ny marsa 2029.
Njaka Andriantefiarinesy




