Mazava ny paikadin’ny Tetikasa Volobe II CGHV (Compagnie générale d’hydroéléctricité de Volobe, II). Ny fahaleovantena amin’ny angovo no antoka hampandrosoana an’i Toamasina. Fantatra izany nandritra ny atrikasa nokarakarain’ny laboratoara Fidepa, ny alatsinainy 11 mey teo. Andrasan’ny CGHV, ny Spat, ny Oniversiten’i Toamasina ary ny Antenimieran’ny varotra ireo fiarahamonim-pirenena sy mpandraharaha maro mifototra amin’ny fampiroboroboana ny angovo. Nafana ny adihevitra noho ny fitovian’ny tanjona, dia ny hialana amin’ny tetezamita ara-angovo sy ny hananana fahaleovantena ary ny hahatongavana amin’ny angovo azo havaozina. Nohamafisin’ny talen-tseraseran’ny Tetikasa Volobe faharoa, Ramatoa Razafindrakoto Annick, fa iray amin’ ireo tetikasa lehibe dimy eto Madagasikara misehatra amin’ny famokarana herinaratra ny CGHV. Vonona ny hanome paikady mazava hisian’ny fizakan-tena amin’ny angovo ho andry fanarenana ara-toekarena an’i Toamasina izy ireo. Izany rehetra izany anefa dia tsy maintsy harahina fampiasam-bola ho fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina ho an’i Toamasina, handraisan’ny rehetra anjara. Andrasana ny ho tohin’ny dinika hanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana ny toekaren’i Toamasina.
Sajo




