Fanadihadiana – vaksiny: Nisongadina ny mpanao gazety efatra

Notanterahina, omaly, teny amin’ny Havoria Anosy, ny fanomezana loka ny mpifaninana nisongadina tamin’ny fifaninanana famokarana fandaharana sy fanadihadiana momba ny fanaovam-baksiny. Nokarakarain’ny Unicef sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izy io. 48 ny sanganasa voarain’ny mpikarakara avy amin’ny orinasan-tserasera manerana ny Nosy. Fepetra nitsarana ny vokatra ny fikirakirana ny vaovao sy ny loharanom-baovao, ny teknikan’ny fizaram-baovao.
Antony nanatanterahana ny fifaninanana ny fampisehoana fa manana andraikitra amin’ny fanatsarana ny fahasalamana eto amintsika ny mpanao gazety, amin’ny asa andavanandro indrindra ho an’ny fanaovam-baksiny. Ny mpanao gazety rahateo no nanasongadina ny zava-misy eny ifotony ao anatin’ny fiarahamonina manoloana ny hevitry ny rehetra momba ny vaksiny. Mpanao gazety efatra amin’ny sokajy ana habaka, an-tsoratra, amin’ny onjam-peo ary amin’ny fahitalavitra no nosafidian’ny mpitsara fa mendrika. Ralitera Miangaly, Nirina Claude, Michael Ramarolahy ary Amiko Philiberte ireo nomena loka. Fanadihadiana efa nivoaka no nalefa nifaninana.

Vonjy

Partager sur: